1 / 42

FANAMBOARANA KOMPOSTA

FANAMBOARANA KOMPOSTA. FAMARITANA. Ny komposta dia zezika azo avy amin’ny fahapotehan’ny fakonjavamaniry na biby. Izany fahapotehana izany dia nohon’ny asan’ny bibikely madinika hita maso (Kankana) na tsy hita maso izay mivelona amin’ny toerana misy rivotra sy mando. TOMBONTSOA AZO AVY AMINY.

schweiger
Download Presentation

FANAMBOARANA KOMPOSTA

An Image/Link below is provided (as is) to download presentation Download Policy: Content on the Website is provided to you AS IS for your information and personal use and may not be sold / licensed / shared on other websites without getting consent from its author. Content is provided to you AS IS for your information and personal use only. Download presentation by click this link. While downloading, if for some reason you are not able to download a presentation, the publisher may have deleted the file from their server. During download, if you can't get a presentation, the file might be deleted by the publisher.

E N D

Presentation Transcript


  1. FANAMBOARANA KOMPOSTA FAFAFI/SPAM

  2. FAMARITANA Ny komposta dia zezika azo avy amin’ny fahapotehan’ny fakonjavamaniry na biby. Izany fahapotehana izany dia nohon’ny asan’ny bibikely madinika hita maso (Kankana) na tsy hita maso izay mivelona amin’ny toerana misy rivotra sy mando. FAFAFI/SPAM

  3. TOMBONTSOA AZO AVY AMINY FAFAFI/SPAM

  4. Simika sa organika? Zezika simika Zezika organika • Misy kasinga fototra sy voafaritra tsara izay ilain‘ny zava-maniry • Mampihena ny fahapotehan‘ny kasinga organika ao amin‘ny nofontany • Manelingelina ny fiasa sy ny fitomboan‘ny bibikely madinika mpanatsara ny nofon-tany • Mora very amin‘ny alalan‘ny fitsihana • Lafo vidy • Mandany angovo ny famokarana azy • Tsy afaka manome vokatra maharitra • Manome ny kasinga ilain‘ny zava-maniry • Mampitombo sy manatsara ny fahapotehan‘ny raha organika ao anaty tany • Mamelona ireo bibikely mpanatsara ny nofon-tany • Tsy mora lasan‘ny rano amin‘ny fitsihana • Mora vidy na tsy voatery handaniam-bola • Azo ampiasaina daholo rehefa fako mety potika. • Mitohy sady maharitra ny fiasany

  5. TOMBONTSOA AMIN’NY FAMPIASANA KOMPOSTA - Mora vidyrahaoharinaamin’nyzezikasimika. Mora ampiasaina - Manatsaranyfahalonakasyrafitrynynofon-tany (IFOAM 3.2.4 ; 3.2.8 ; 3.3.3 ; 3.4.2) - Kelynyfotoanalanyamin’nyfitanteranarahaoharinaamin’nyzezikamahazatra FAFAFI/SPAM

  6. KARAZANA FANAMBOARANA KOMPOSTA FAFAFI/SPAM

  7. 1- Komposta ambony tany:- Amin’ny fotoana mahabetsaka ny rotsak’orana- Betsaka ny zava-maitso azo ampiasaina FAFAFI/SPAM

  8. 2- Ny komposta anaty lavaka:-Amin’ny fotoana main’andro- Ho an’ny faritra mafana sady kely rotsak’orana na tsy dia ampy ny rano azo ampiasaina FAFAFI/SPAM

  9. IREO DINGANA ARAHINA AMIN’NY FANAMBOARANA KOMPOSTA FAFAFI/SPAM

  10. Famantarananyfilana FAFAFI/SPAM

  11. Arakaraky ny: • Fahalonahan’ny tany (Azo atao ny manao fitiliana any amin’ny laboratoara nefa ny fijerena ny toetry ny voly teo aloha dia mety ho ampy) • Ny velaran-tany ho volena • Ny karazamboly hatao (filan’ny voly) • Karazana fandonahana atao (fumure de fond ; fumure d’entretien) • …. FAFAFI/SPAM

  12. FAMOKARANA NY AKORA ILAINA FAFAFI/SPAM

  13. 1- Fitrandrahana ny zava-misy eo amin’ny natiora : tandremo ny fitrandrahana tafahoatra fa manimba ny tontolo FAFAFI/SPAM

  14. 2- Fambolena ireo zavatra ilaina(IFOAM : 3.2.10)Fidio ireo zava-maniry haingam-pitombo sy mahazaka ny toe-tany sy toetr’andro any amin’ny faritra Ohatra: Flemingia congesta Cajanus cajan Acacia Leucaena leucocephala Sesbania Tephrosia Crotalaria Desmodium Consoude FAFAFI/SPAM

  15. 3- Ny fako azo avy amin’ny zava maniry novolena :Mololo, taho-katsaka, hodi-boanjo, …. FAFAFI/SPAM

  16. Ireo zava-maniry tsy azo ampiasaina : Aza ampiasaina ny zava-maniry sarotra potika na misy kasinga sarotra potika: ravina zavoka, ravin-kesika,… FAFAFI/SPAM

  17. FIFIDIANANA NY TOERANA ASIANA NY KOMPOSTA FAFAFI/SPAM

  18. Ny fifidianana ny toerana dia arakaraka ny : • Vanim-potoana • Toerana misy alokaloka (Ambany hazo, misy tafo na mirakotra ) • Fitaomana ny akora ampiasaina • Fitaomana ny komposta efa vita • Fitanterana ny rano hanondrahana FAFAFI/SPAM

  19. FAFAFI/SPAM

  20. NY TRANON’NY KOMPOSTA FAFAFI/SPAM

  21. TRANO MISY TAFO FAFAFI/SPAM

  22. Halehibeny : arakaraka ny filàna ; ny fahampian’ny akora ilaina • Karazany : Lavaka, an-tontany, … • Ny akora ampiasaina amin’ny fanaovana ny trano : arakaraka ny fisian’ny akora azo ampiasaina FAFAFI/SPAM

  23. FAFAFI/SPAM

  24. Lavaka FAFAFI/SPAM

  25. NY AKORA ILAINA FAFAFI/SPAM

  26. FAFAFI/SPAM

  27. - Arakaraka ny maha be ny karazana akora (zava-maniry) ampiasaina no mahatsara ny komposta azo.- Ny fanapatapahana ny akora ampiasaina dia manafaingana ny fahamasahan’ny komposta.- Mba ialana amin’ny fahalovana dia lazoina ny zava-maitso vao ampiasaina FAFAFI/SPAM

  28. Arakaraka ny : • Karazan-javatra ho volena • Fotoana ilàna ny zezika • Akora misy eo an-toerana FAFAFI/SPAM

  29. NY FAMETRAHANA NY ANTONTAM-PAKO FAFAFI/SPAM

  30. fomba N° 1DeTapatapahina fohy araka izay tratra ny zava maitso sy zava-maina- Afangaro ny zava maitso sy zava maina voatapatapaka (A)Ny antonta iray dia ahitana sosona:o- Ratsakazo vaventy1- Fangaro (A) 50 sm2- Sosona Komposta efa masaka na zezika taimbiby 5 sm3- Sosona tany masaka 3 sm.Dia averina ny sosona hatreo amin’ny sosona (1) mandra -pahazo ny haavo ilaina izay tsy mihoatry ny 1.5 m mba tsy hananosarotra ny fanondrahana . FAFAFI/SPAM

  31. KAOMPOSTA ZEZIKA TAIMBIBY 5 sm TANY MASAKA 03 sm TSATOKA TAHO (BRANCHAGE) FAKON-JAVAMANIRY MAINA SY MAITSO 30 sm

  32. Fomba N° 2- Sosona zava- maina efa voatetika 20- 25 sm- Sosona zava-maitso 15 sm- Zezika taim-biby na komposta efa masaka 5 sm- Dia averina araka izay mandra-pahazo ny haavo tiana FAFAFI/SPAM

  33. FIKARAKARANA • Fanondrahana: Tazonina manodidina ny 50% ka hatramin’ny70% ny hamandoana Ajanona ny fanondrahana andro vitsy alohan’ny hampiasana ny komposta. • Famadihana: Ilaina mba hahazoana fahapotehana mitovy amin’ny antonta iray manontolo. Ahafahana mifehy ny hafanana FAFAFI/SPAM

  34. Fanamarihana Mila hamandoana ny fanamasahana ny komposta ,ka miova arakaraka ny toetr’andro ny fanondrahana azy.Ny tena tsara indrindra dia ny hamandoana toy ny “éponge” lena nofihazana. Tsapaina amin’ny tanana na hazo maina no ahitana ny hamandoana ao anatiny. Tsy azo atao mando loatra ny komposta fa manjary mamono ireo Bakteria mpanamasaka ny zezika; Raha mando loatra ny zezika dia somary anesorana ny tafo,na avadika dia ampiana ireo taharon-javamaniry mba hanenàna ny hamandoana FAFAFI/SPAM

  35. NY DIARIM-PAMADIHANA ny KOMPOSTA 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15Azo atao ny mamadika ny komposta isam-bolana mandra-pahamasany rehefa dila ireo fotoana ireo.Koa satria mila rivotra ireo biby mpamotika ny akora dia tena ilaina ny fametrahana ny rantsan-kazo vaventy any amin’ny sosona ambany indrindra sy ny fametrahana fidiran-drivotra eo afovoany FAFAFI/SPAM

  36. NY OLANA MATETI-PITRANGA SY NY VAHAOLANA FAFAFI/SPAM

  37. Olana sy vahaolana azo ampiasaina amin‘ny fanamboarana Komposta

  38. NY KOMPOSTA TSARA FAFAFI/SPAM

  39. 1- Endrinyivelany : Milokovolon-tany Potikatanterakaireoakoranampiasaina 2- Taharosimikamiovaovaarakarakanyakoranampiasaina(IFOAM 4.4.5) FAFAFI/SPAM

  40. MBA HAHATSARA NY ZEZIKA AZO DIA MAMPIASA: • Dolomita • Lavenona • Kikitandroka na kitron’omby • Ranon-jezika avy amin’ny biby fiompy na zava-maniry FAFAFI/SPAM

  41. FAMPIASANA NY KOMPOSTA FAFAFI/SPAM

  42. Fatra: farafahakeliny 100 kg /ara (10t/Ha) • Aparitaka alohan’ny hiasana ny tany na atao isan-davaka mandritra ny fambolena FAFAFI/SPAM

More Related